Niasa mafy ny sampandraharahan’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana nanomboka afaka omaly alarobia hatramin’ny omaly alakamisy nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo teto amintsika.
Raha araka ny fanazavan’ny kolonely Rabemanantsoa Michel, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sampandraharaha iray ity dia nahatratra 17 isa ireo trano nanaovana asa ka tafiditra tao ireo nitady hianjera, ireo nianjera tsy fidiny…Hazo 13 isa kosa no tsy maintsy nidinana ifotony nokapaina teto an-drenivohitra, tamboho sy tany nihotsaka efatra no nojerena akaiky mba tsy hamono olona, andrin-jiro roa no nianjera, raha rano niakatra tamina toerana roa lehibe no tsy maintsy nanaovan’izy ireo fidinana ifotony. Nahatratra 200 ny fanazavan’ny kolonely ny antso voarain’izy ireo ka ny 16 isa no tsy maintsy nivoahan’izy ireo raha nomena torohevitra avokoa ny ambiny ka ny tompon-trano ihany no nanao ny asa nifandraika tamin’izany. Nomarihin’ity kolonely ity moa fa faritra fito ivelan’Antananarivo no nanaovan’izy ireo asa nandritra ireo roa andro ireo na dia tokony ho ny tanànan’Antananarivo aza no nosahaniny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.