« Fanamby goavana ho ahy ny resaka fananan-tany satria ny 80%-n’ ireo raharaham-pitsarana ao Miarinarivo dia ady tany avokoa », hoy Rtoa Fiainantsoa Ramanana Razaimalala,
solombavambahoakan’i Madaasikara voafidy tany Soavinandriana. Hapetraka ny OMC ao amin’ity distrika ity, izay natao hijerena io resaka fananan-tany io, satria misy tokoa ny tsy rariny, ny kolikoly… Tsy maintsy momba ny vahoaka foana aho, hoy izy. Betsaka ny tanim-panjakana, ny tany « colon »,… ary efa mandray andraikitra hanampy ny fijerena an’io sady hiresaka ny fandaminana ho amin’izany. Tena manahirana tokoa io resaka hala-tany io , hoy ity depiote ity sady mamono olona betsaka. Nohazavainy fa mampahantra ny olona any aminy izany satria lasa mivarotra omby, mivezivezy any amin’ny tribonaly ny mponina ao amin’ny distrika misy azy. Nohamafisiny fa hiara-kiasa amin’ny hery velona rehetra handaminana ny distrikan’i Soavinadriana izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.