Omaly vao maraina dia efa voaantso hamonjy ny toby misy azy avokoa ny miaramila sy ny zandary rehetra am-perinasa teto Antananarivo Renivohitra
. Baiko miaramila moa ilay izy ka tsy misy fanazavana fanampiny na fanampim-baovao fa tonga dia tanterahina avy hatrany. Gaga ireo olona nandalo toby miaramila tahaka ny teny amin’ny RM1 Analakely sy ny teny Ankadilalana, ohatra, fa nihidy be ny vavahady ary tazana misy miaramila sy zandary mirongo basy ety ivelany. Tsy tongatonga ho azy ny zavatra tahaka izany fa misy antony manokana. Tsy mbola nisy nanafika akory Antananarivo fa kosa misy ifandraisany amin’ny fiainam-pirenena sy ny sangodim-panina politika ity famerenana an-dakazerina ny foloalindahy ity, raha araka ny fanadihadiana natao omaly tontolo. Ny zoma (omaly) dia nisy fitokanana ny « vitrine numérique » eny amin’ny Sekoly ambony polytechnique Vontovorona saika nataon’ny filoha nanomboka tamin’ny 9 ora maraina. Nofoanana tampoka indray anefa izy io satria nisy fandaharam-potoana hafa maika kokoa tsy maintsy natrehan’ny filoha sy ireo mpiara-miasa aminy io zoma io. Ny marainan’ny zoma dia nantsoina hanatrika « rassemblement » any an-dakazerina avokoa ny zandary sy ny miaramila ary rehefa tonga tao dia nambara fa « consigné » daholo, izany hoe tsy mahazo mivoaka ny toby fa miandry ao. Dia iny nitranga iny moa ny hoe fanambarana fametraham-pialana faoben’ny governemanta. Mazava ny resaka eto fa nampidirina anaty toby ny foloalindahy mba isorohana ny mety hisiana andiana miaramila hanara-dia na hanohana ny praiminisitra izay hoesorina, satria izy dia mahoraka be hoe nirehareha fa manana miaramila ihany koa raha ilaina. Midika koa io fa anaty krizy ny tany sy ny fanjakana ka mila vonona amin’ny iraka rehetra mety ampanaovina azy ny foloalindahy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.