Actualités

Mialy Rajoelina Malok’endrika tampoka ny sabotsy teo


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Maro no nahatsikaritra ny sabotsy hariva teo ny endri-dRamatoa Mialy Rajoelina, izay hita ho tena vinitra dia vinitra nandritra ilay fandaharan’ny haino aman-jerim-panjakana ka nampihaonana ireo kandida ho filoha 6, andiany farany.

 

 

 

 

Tany am-piandohan’ny fandaharana dia hita ho nilamina ihany izy, saingy rehefa nandeha teo ny adihevitra sy ny fanazavan-kevitra dia hita ho nivadika tampoka ny endrik’ity vady andefimandrin’i Andry Rajoelina ity.Tsy ela fa iny sabotsy alina iny ihany dia efa niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera io sary io. Ao ny milaza fa sao efa reraka. Eo koa ny hoe tonga saina tampoka angamba ramatoa raha sanatria ka tsy tafiditra fihodinana faharoa na tsy lany amin’ity vola be mivoaka isan’andro ity. Ny nitovizan’ny maro an’isa hevitra dia niteniteny foana indray ny kandida laharana faha-13 tao anatin’ny adihevitra ka izay no naha vinitra tampoka an-dRamatoa vadiny, izay azo antoka fa mahalala tsara ny zava-misy sy ny fikafika ratsy kasaina hatao handrombahana ny fandresena tahaka ny efa natao ihany tamin’ny 2009. nandrombahana ny fahefana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT