Actualités

Mialoha ny Tana-masoandro sy ny tariny “Jereo aloha ny sosialim-bahoaka !”


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Mankahery ny vahoaka Malagasy isika manoloana ireo zava-miseho eto amin’ny firenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny antokom-bahoaka Malagasy na Aba, Dany Rakotoson.

 

 

Tokony handray andraikitra haingana ny fitondram-panjakana satria na manana tetikasa maro aza isika dia tsy afaka ny handroso raha tsy milamina ny zava-misy ankehitriny. Mialoha ny Tana-masoandro sy ny tariny dia jereo aloha ny sosialim-bahoaka, hoy hatrany ny fanazavany. Voalamina tsara ny olan’ny anjerimanontolo, ny olan’ny solika, tsy hisy intsony ny fahatapahan-jiro, ny olan’ny rano, ny ankapoben’ny vahoaka, hoy izy, vao tokony hiroso amin’ireo tetikasa vaovao. Mila tadiavina ny politika tsara mikasika ny sosialim-bahoaka sy ny fandriampahalemana satria ny fikorontanan’ny saim-bahoaka dia anisan’ny hisatra amin’ny fampandrosoana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT