Actualités

Miaka-pofona ny mpiasan’ny “Domaine” Nanome 72 ny fanjakana


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Nanao fanambarana ny sendikan’ny “Controleur des domaines”, ny sendikan’ny “Assistant Rédacteur des Domaines ary ny mpiara-miasa aminy rehetra manerana ny Nosy noho ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny naman’izy ireo.

 

 

 

 Miisa 3 no nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny raharaha tany misy ny Villa Elisabeth miorina amin’ny tany atao hoe “Saint Antoine IV” TN 16.684-A. Tafiditra ao anatin’io ny Tale jeneralin’ny fananan-tany teo aloha Hasimpirenena Rasolomampionona, izay kandida depiote lohalisitry ny IRD (Isika miaraka amin’I Andry Rajoelina) any Ifanadiana. Iray kosa mahakasika ny zaridainan’Antaninarenina no nampidirana am-ponja azy. Ny 14 martsa no nampidirana am-ponja vonjimaika ireo namany taorian’ny fanadihadian’ny PAC (Pôle Anti-Corruption). Fanatanterahana baiko avy amin’ny tompon’andraikitra ambony no nataon’izy ireo, hoy ny namany. Tsy lavinay ny fanadihadiana izay mety hataon’ny fitsarana mahakasika ny fanatanterahanay ny asanay, fa angatahanay kosa mba tsy ho fampidirana am-ponja avy hatrany kanefa dia tao anaty fankatoavana ny lehibe sy fanatanterahana baiko no nanaovana izany, hoy izy ireo. Mangataka ihany koa izy ireo mba hitovian’ny rehetra ho an’izay rehetra nanana andraikitra ao anatin’izao raharaha izao, indrindra fa ny resaka fampidirana am-ponja, ka tsy ny namany mpanatanteraka baiko ihany no miditra any, fa ny mpanapa-kevitra sy ny mpividy (auteur principal) afaka miriaria. Hentitra ny sendikan’ny mpiasan’ny fananan-tany nilaza, fa “tsy ny fampidirana am-ponja mpiasa mpanatanteraka baiko no atao hoe miady amin’ny kolikoly”. Noho izany dia mitaky tsy misy fepetra ny famoahana ny namany izy ireo, ka manome 72 ora ny fanjakana mahefa. Raha dila io fe-potoana io, ka tsy mivaly ny fitakiana dia milaza ny handray fepetra hentitra mifandraika amin’izany izy ireo. Misy olona ambony mety mbola ao anaty fanjakana na efa tsy ao intsony izany no tompon’antoka. Tany amin’ny taona 2012 no nanomboka nandeha io aferan’ny Villa Elisabeth io, raha ny fanadihadiana natao. Iza no tompon’andrakitra ambonin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany tamin’izany ? Tsy voakitika ny minisitra tompon’andraikitra nanasonia ny taratasy, hoy ny fanehoan-kevitra efa nandeha. Tsy hisy afera mikasika tany na fivarotana tany amin’ny sinoa sy karana izany eto, raha tsy mahazo fahefana avy amina manampahefana ambony, saingy tsy voakitika ireny. Mety ny faratampony eto amin’ny firenena mihitsy no atidoha na manome vahana an’ireny. Tsaroana rahateo ilay fanambarana teny Antsonjombe nataon-dRajoelina ny 3 novambra 2018 hoe: mivarotra 100ha fotsiny isika, dia mahavita zavatra be. Atao mahagaga ve raha manomboka midingin-drambo ny sinoa sy ny karana ? Ry Jean Nirina Rafanomezantsoa mba nijoro sy tsy nankasitraka ny mety heveriny ho tsindrihazolena amin’ireo resaka tany lasan’ny vahiny io indray ary izao nogadraina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT