Actualités

Mgr Odon Razanakolona “Arahina fanoneran-keloka fa tsy vitan’ny hoe miova fo fotsiny”


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Nankalaza ny fetin’ny Olomasina Odon ny Fiangonana Katolika maneran-tany, ka ny talata18 novambra 2014 no nanatanterahana izany teto amin’ny Diosezin’Antananarivo, no sady fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny Arseveka Odon Marie Arsčne Razanakolona. Izay no tsy nahitana ity farany tamin’ilay dinika fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena nataon’ny FFKM io andro io teny Faravohitra

Tamin’ny alalan’ny lamesa lehibe tao amin’ny Katedraly Katolika Andohalo no nanatanterahana izany. Notronin’ireo Pretra sy Reliziozy ary Filankevitry ny Fiangonana Katolika rehetra manerana ny Diosezy. Maro ihany koa ny Kristianina tonga niaraka nanolotra izany vavaka izany ho an’ny lehiben’ny Fiangonana katolika eto amin’ny Diosezin’Antananarivo. Tonga nonotrona sy niaraka niombom-bavaka tao amin’ny Katedraly Andohalo ihany koa ireo olona manan-kaja sy mpitondra eto amin’ny Firenena. Singanina manokana eto ny fahitana ireo kandida ho Filoham-pirenena farany teo, toa an’i Jean Louis Robinson sy Patrick Raharimanana. Ity farany moa dia fantatra fa zanaka an-tranon’ny Fiangonana Katolika ary mety handray anjara amin’ny fikarakarana ny fihaonana an-tampony eto amin’ny firenena mba hisian’ny fampihavanam-pirenena. Nohamafisin’i Arseveka Odon Razanakolona tamin’ny teny nataony fa “tsy maintsy mifamela heloka satria samy diso avokoa, nefa tsy maintsy arahina fanoneran-keloka izany fa tsy vitan’ny hoe miova fo fotsiny”. Fantatra fa hitohy ny alahady tolakandro izao eny amin’ny Falda Antanimena izany fankalazana ny tsingerintaona izany, izay fety hiarahan’i Aresveka Odon Razanakolona amin’ireo Kristianina rehetra manerana ny Diosezin’Antananarivo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT