Eny Ankorondrano ankehitriny no foiben’ny orinasa Métaplasco. Tsy diso safidy rahateo ny mpandraharaha mpitantana Irfan Alimamod satria mitombo ireo mpitsidika sy mpanjifa ireo karazana tolotra avy amin’ny orinasa
. Efitrano midadasika moa no ampirantiana ireo vokatra manana ny maha izy azy toy ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro marika Edwards, Solarland, Ariston na koa Sunray amin’ny vidiny zakan’ny isan-tokantrano. Mitodika any amin’ny angovo azo havaozina avokoa ny ankamaroan’ny olona manoloana ny delestazy manerana ny nosy. Mitentina 50.000 ariary, ohatra, ny vidin’ny kojakoja mandeha amin’ny masoandro “Plug and Ligh” ary mora ihany koa ny fametahana azy. Manampy betsaka ny orinasa ny fivarotana ireo karazam-bokatra samihafa izay nahazoany vokatra tsara tamin’ny taona 2014. Tsy hijanona amin’ny vokatra efa azo moa ny Métaplasco fa sady hampitombo ireo tolotra no hanatsara ny kalitao haroso ny mpanjifa, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny orinasa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.