Olona an-tapitrisany hatramin’ny taona 2012 no navotan’ny fikambanana Mercy Ships tamin’ireo karazana fandidiana sy fitsaboana maimaimpoana nataony.
Ho antsika eto Madagasikara manokana dia efa mahatratra an’aliny maro ireo nahazo tombontsoa tamin’izany tato anatin’ny volana vitsivitsy ka vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. Na izany aza mbola hitohy ny ezaka ataon’ny fikambanana, raha araka ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ny tena vesatra ho azy ireo anefa ny fitaterana ireo marary mihazo an’i Toamasina misy ilay sambobe toeram-pandidiana ka orinasa roa no fantatra fa hanohana azy amin’izany. Anisan’ireny ny orinasam-pifandraisana Orange sy ny Fondation Telma. Hifanome tanana izy ireo manomboka izao ka hisy ihany koa ny fandraisana izay foy avy amin’ny rehetra amin’ny alalan’ny laharan-tariby 032 58 122 22 ho an’ny orange money raha ny 03411 001 17 kosa raha alefa M Vola. Tanjona ny hahafahana manampy ireo mpiara-belona mila fikarakarana ara-pahasalamana manokana, indrindra fa ireo tena sahirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.