Nisy dahalo nanafika, voalaza fa tsy miakanjo fa mihanjaka toy ny misalaka, ary miteny amin’ny fiteny tsy avy eto afovoan-tany, am-polony mitondra basy mahery vaika sy zava-maranitra vaventy, lefona, antsy, sabatra...
nanafika teny Mendrikolovana, tanàna eny ambanin'Alasora ny sabotsy alina lasa teo. Nirefodrefotra ny basy, vaky avokoa ny fivarotana teo an-tanàna, ary voaroba, lasa avokoa na vola na entana. Nisy ny naratra, ary soa fa tsy nisy aina nafoy. Nihorohoro ny mpiray tanàna. Araka ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana, ireo tanàna tsy nidiran’ireto dahalo ireto dia notorahan’izy ireo ny antsy. Avy aiza ireto dahalo nanafika teny Alasora ireto ? Nahoana no tsy hita tabilao mihitsy ny mpitandro filaminana ? Fa ny tena mampieritreritra dia ny hoe : sao lahy efa misy andian-dahalo tahaka azy ireo ihany koa mikasa hanafika tanàna hafa, amin’ny toerana somary lavitra ny renivohitra sy lavitry ny mpitandro filaminana. Mila mihetsika maika ny mpitandro ny filaminana satria raha izao no mitohy dia hiakatra an-tanàn-dehibe mora foana amin’izay ny dahalo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.