Nijanona nanampy ary nitondra ireo maratra mafy ao Maevatànana ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA omaly raha nahita lozam-pifamoivozana tamin'iny lalam-pirenena faha efatra iny.
Mpilalao basket avy any Mahajanga ireto niharam-boina ireto ary marihina fa tsy nisy ny aina nafoy. Ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena dia manentana ny rehetra mba hitandrina mba hisoroana ny loza, araka ny fanentanana nataony. Nahafinaritra ny naheno ny fihetsika mendri-piderana tahaka izany, ary azo lazaina fa manomboka manamafy sy mitodika makany amin'ny fanampiana ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana.Aoka tokoa izay ny fanompoana mpitondra fa ny vahoaka no tompon'ny fahefana ara dalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.