Ny mpivarotra hani-masaka, indrindra fa ireo manendy kitoza, sambos, nem, trondro, karatoa, manao composé amin’ny ankapobeny no tena mampiasa menaka fanendy betsaka indrindra eto an-drenivohitra.
Mahatratra hatrany amin’ny dimy litatra mantsy ny menaka alain’ny mpivarotra iray amin’ireo mpivarotra mpambongady etsy Anosibe raha kely indrindra ka ny menaka mandry no tena be mpividy indrindra satria mora. Tsy araka izay habetsaky ny menaka vidian’izy ireo izay anefa ny fomba fampiasany azy raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra hani-masaka iray etsy Andrefanambohijanahary. Kiendiendy karazany dimy isan’andro mantsy no hampiasana io menaka io raha ezahina hampiasaina in’efatra kosa ny menaka iray saba vao hajanona. Mety hiteraka fanapoizanana ara-tsakafo ny fihinanana izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina etsy amin’ny Clinique Fidy Ambatomainty, indrindra raha menaka efa naharitra herinandro no mbola hampiasaina. Noho ny fahasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao. Na izany aza anefa dia tokony mba hifampitsinjo ihany isika Malagasy fa tsy hifanambaka. Hentanina araka izany ny Ministeran’ny varotra mba hijery akaiky ny mikasika izany. Toraka izany koa ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanaraha-maso ireo sakafo tsy ara-pahasalamana, indrindra fa ireo tsy mampiasa vitrine. Ny andro rahateo efa manomboka mafana, fotoana iray mampirongatra ny fanapoizinana ara-tsakafo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.