Ho afaka hamoka-bary in-droa isan-taona ny Faritra Menabe sy Melaky manomboka amin’ity taona ity.
Tanimbary 10.000 ha no hotondrahana rano ara-dalàna manomboka izao hahatonga ireo faritra ireo ho sompitr’i Madagasikara. Nisongadina ireo omaly nandritra ny lanonam-panokafana ny fanombohana ilay tetikasa AD2M II, tetikasa hahafahana mampandroso ny faritra Menabe sy Melaky andiany faharoa izay vatsian’ny FIDA vola miaraka amin’ny ASAP sy ny OFID. Mitentina 57 tapitrisa dolara ny vola hampiasaina amin’izany ka ny 6 tapitrisa dolara dia tsy averina fa maimaimpoana, hoy ny minisitra Roland Ravatomanga, fanomezana avy amin’ny ASAP izay miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ho antsika. Nahafa-po ny vokatra azo tamin’ny tetikasa andiany voalohany, toy ny fahavitan’ny toho-drano ao Migodo Miandrivazo. Niakatra be ny voka-bary vokatr’izany, raha hitodika amin’ny faritra saro-dalana indray ao anatin’ity tetikasa andiany faharoa ity. Tanjona ny hampitoviana zo ireo faritra saro-dalana amin’ireo faritra tsy misedra izany hahafahan’ny rehetra mamokatra. Ankoatra ny voka-bary na dia voakasika ihany koa ny tsaramaso sy ny tongolo egypta ho an’ireo faritra roa ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.