Actualités

Me Olala Nieren-doza tamin’ny fiaramanidina


  • Talata 04 Oktobra 2016

Niala ny “piste” ary saika namantana tany anaty ala ny fiaraminidina kely iray raha niantsona teo amin’ny seranam-piaramanidina Antsirabato Antalaha, omaly alatsinainy 03 okotobra 2016,


 tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina. Olana tamin’ny hisatra amin’ny ilany havanana no voalaza fa niteraka ny loza. Tsara anefa andro tamin’io, ary tsy nisy zavatra nanelingelina teo amin’ny “piste”. Avy any Toamasina io hiazo an’Antalaha io fiaramanidina kely misy motera anankiroa io. Olona enina no tao anatiny, mpanamory ny roa ary mpandeha ny efatra ka isan’izany ny mpisolovava Razafinjatovo Willy na Me Olala.  Nieren-doza tsy nisy naninona izy enina ireo, fa tebiteby sy tahotra no betsaka. “Isaorana Andriamanitra !”, hoy i Me Olala. Hamonjy raharaham-pitsarana ao Antalaha no anton-diany tany. Afaka namonjy io fotoana tao amin’ny Tribonaly Antalaha io izy, nanatanteraka ny fiarovana olona voampanga.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT