Actualités

Me Hasina Andriamadison Tany tan-dalŕna ve i Madagasikara ?


  • Talata 06 Septambra 2016

Niara-dia tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tetsy Andohatapenaka, omaly ny mpisolovavan’ny orinasa Tiko-Agri, Me Hasina Andriamadison

. Manoloana ny zava-misy eny an-toerana ary dia nametraka baraingo lehibe izy hoe tany tan-dalàna ve i Madagasikara ?

Tamin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany nanomboka namefy an’ity tany ity dia nandefa an-gazety izy ireo fa “exproprié” ny tanin’ny Tiko Andohatapenaka, izany hoe nesorina teo ny tompony fa ilain’ny fanjakana ny tany. Ny antsoina hoe “expropriation” eto Madagasikara, hoy ny fanazavany, dia mandalo sehatra maromaro. Voalohany, misy didy raisin’ny minisitera alefa amin’ny gazetim-panjakana hoe misy expropriation ataonay amin’ireto tany ireto. Ao aorian’iny dia tsy maintsy antsoina tsirairay avy ny tompon’ny tany rehetra, ao anatiny ny orinasa Tiko Agri, nefa tsy voaantso mihitsy. Tapahana amin’io fotoana io ny vola tokony homena ny tompon-tany ho onitra amin’ny fakana ny taniny ary mbola anontaniana na manaiky hanome ny taniny izy na tsia.

Tsy nisy peta-drindrina

Tsy maintsy asiana peta-drindrina any amin’ny kaominina aorian’io. Nanontany tao amin’ny kaominina Antananarivo izahay, tsy nisy peta-drindrina natao tao. Ity tanin’Andohatapenaka ity dia voafatotra amin’ny Boriborintany voalohany, fa tsy nisy afisy natao tao. Izay ihany no azon’ny minisitera anaovana peta-drindrina. Rehefa mandeha izay zavatra izay dia tsy maintsy misy didim-pitsarana mivoaka hoe : “exproprié” io tany io, ary io didim-pitsarana io dia atao amin’ny gazetim-panjakana ary ampahafantarina ny tompon’ny tany, hahafahany manao fanenjehana io didy io. Izay no tsy maintsy arahina, ary ny tena mafy amin’ity lalàna ity. Ny andininy faha-8 dia milaza fa “tsy misy fanorenana azo atao eo ambonin’ilay tany mandritra ny herintaona”. Ao anatin’ilay “procedure d’expropriation” mandritra ny herintaona izany. Ity anefa tsy ampy am-bolana akory dia efa manomboka ny asa. Tan-dalàna ve isika sa tsy tan-dalàna ? Mila hajaina aloha ilay lalàna, hajaina ny tompon-tany, izay vao afaka manomboka ny asa. Aminay, tsy misy ny fifanajana na eo amin’ny lalàna na tompon-tany na ny fitsarana. Araka izany, fangalarana tany no misy fa tsy “expropriation”, hoy ny Me Hasina Andriamadison.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT