Actualités

Mbola Rajaonah « Tsy hitsoaka izany aho »


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Nilaza ny fomba fijeriny manoloana ny resaka etsy sy eroa momba azy ny sabotsy 24 novambra teo ny mpandraharaha Mbola Rajaonah.

 

 

 

 

Nohamarininy fa nisy tokoa ny taratasy fandrarana azy hivoaka an’i Madagasikara (IST) ary tena nisy ny fiantsoana azy hatao fanadihadiana teny amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny fisavana ny trano fonenany. Tsy manana eritreritra mihitsy ny hitsoaka any ivelany aho, hoy izy satria eto Madagasikara ny asako sy ny fitadiavako ary ny fianakaviako. Nambarany ihany koa fa tonga sy namaly hatrany ny fampiantsoana nataon’ny Bianco ny tenany ary mbola ho tonga raha misy fiantsoana  hafa. Ny nahagaga kely ahy fotsiny dia toa atao resaka be etsy sy eroa ilay raharaha ary misy mihitsy ny haino aman-jery tena manenjika sy manaratsy ahy. Tsy mandà fanadihadiana aho fa aoka kosa mba hifanaja. Tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy aho fa manohana ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana fa fiaraha-miasa no ataon’ny orinasan-tseraserako sy ny ekipa mpanohana an’io kandida io. Tahaka ny rehetra dia mandoa vola ry zareo ary manatanteraka ny asa mifandraika amin’izay ireo orinasan-tserasera voakasika. Mbola ho avy ny fotoana hanambarako amin’ny fomba ofisialy ny kandida hotohanako amin’ny fihodinana faharoa. Tsy maintsy ambara mazava izany, hoy i Mbola Rajaonah satria izay no atao hoe olom-pirenena tompon’andraikitra. Tsy an-kijery tavan’olona na bika aman’endrika ny fitantanana ny firenena fa izay afaka mametraka ny fitoniana politika sy fitoniana ara-toekarena no hotohanako. Ny antony dia satria mila an’ireo fitoniana ireo ny mpandraharaha mba hahafahany miasa sy mamokatra tsara. Mpanao fanatanjahantena ny tenako ary manohana ny fanatanjahantena Malagasy amin’ny ankapobeny satria io sehatra io no tena mampifandray sy mampihavana ny rehetra tsy misy resaka fiaviana na loko politika, hoy hatrany izy. Tetsy an-kilan’izay, nanazava ny Bianco fa ny 4 jolay 2017 no naharay fitarainana momba an’i Mbola Rajaonah ny sampan’ny Bianco any Toamasina. Nisy ihany koa avy eo ny 27 jolay 2018 fiantsoana nalefan’ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC) mba handinihana antontan-taratasy hafa momba an’i Mbola Rajaonah koa hanohizana izany no asa atao amin’izao, hoy ny fanambaran’ny Bianco.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT