Notorian’ny fiadidiana ny praiminisitra i Mbola Joseph Rajaonah, Fidèle Razarapiera, Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia, Eliane Virginie Bezara (Ninie Doniah), Fernand Cello, James Ratsima, Fanirisoa Ernaivo,…
izay tompona orinasan-tserasera sy mpanao gazety, ary mpitari-tolona eny amin’ny 13 mey, raha ny vaovao re omaly. Fanohintohinana ny filaminan’ny fanjakana, fandraisana anjara amin’ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana no anisan’ny voalaza fa antony. « Fitoriana politika foana io indraindray, ka raha mijoro sy mitaky ny fahamarinana ve ny olona ankehitriny, dia ohatr’izany ny zavatra hatao aminy ? », hoy ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Raha nandeha teo amin’ny kianjan’ny 13 izahay ny sabotsy teo dia tsy nisy ny fikorontanana, tsy nisy zavatra voaroba tsy nisy na inona kanefa izao ny setriny, hoy izy. Nambarany fa fampihorohoroana sy fanaovana herisetra ara-moraly io ary heveriko, hoy izy, fa tsy azo ekena, ka inoako fa ny olona rehetra dia tsy manaiky izany ihany koa. « Ny fijoroana ny hevitra amin’ny fitakiana ny fahamarinana ve izany raha ohatra ka tsy mitovy fijery na foto-kevitra dia miady mihitsy ny olona ? », hoy kosa i Fidèle Razarapiera. Manaitra ny tompon’andraikitra mahefa izy satria misy filohan’ny Repoblika mpisolo toerana eto, misy minisitry ny fitsarana, misy lehiben’ny fampanoavana, ka angamba ireo olona ireo dia tompon’andraikitra mahafantatra ny zava-nisy teny an-kianja ny sabotsy teo sy ny omaly, hoy izy. Nisy fiainam-pirenena voatohintohina ve ? Manentana ireo olona ireo handray andraikitra mba hivoahan’ny marina ny tenany, mba tsy ho lasa fitaovana indray ihany koa hoe rehefa tsy nety ny mpitandro ny filaminana dia ny fitsarana indray no hoentina hamoretana tsy hivoahan’ny marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.