Actualités

Mbola manjavozavo …


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Tsy manana ny vahaolana rehetra, tsy manana ny valiteny rehetra, tsy manana ny marina rehetra i Hery Rajaonarimampinina matoa manaiky mifampiresaka sy mifandinika amin’ny fianakaviana Ravalomananana momba ny raharaha Marc Ravalomanana

Hita tamin’ny fivoaran’ity raharaha ity fa maro ny zavatra manjavozavo, hatreto mantsy dia tsy mbola fantatra mazava tsara ny vesatra iampangana ity filoha teo aloha ity.Tany am-boalohany dia nolazaina fa ho fiarovana ny ainy dia tsy maintsy nafindra any amin’ny toeran-kafa izy ; nilaza avy eo ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika fa tsy maintsy mandray anjara amin’ny fampihavanam-pirenena i Marc Ravalomanana.Avy eo nambara indray fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka tsy mainsy ampiharina ny lalàna ! Ka inona ary ilay fandikan-dalàna  dia ahoana ny fomba hampiharana ny lalàna ? Tsy misy zavatra mazava ny amin’izany hatreto aloha, tsy mbola vita ny fakàna am-bavany ity filoha teo aloha ity, tsy mbola niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy, ary na ny ao amin’ny fitsarana koa aza dia tahaka ny misy zavatra tsy dia milamina firy ihany.Etsy ankilan’izany safotofoto izany dia hita fa mihetsiketsika mafy ireo mpankahala an’i Marc Ravalomanana, tsy iza moa izany fa ireo nanongana azy tamin’ny 2009 ihany, izay mametraka fepetra ,hono izay vao hanaiky hihavana.Ka inona moa no fampihavanana ho vita amin’izany, tsy mandritra ny fampihavanam-pirenena ve no hifanazavana tsara fa tsy hoe ety am-piandohana dia efa mila vanona sahady.Raha tena filoha manampahefana tokoa i Hery Rajaonarimampianina dia hainy ny mamaha ity olana ity ka mba hiroso amin’izay ny fanarenana ny firenena fa tsy hijanona eo amin’ny resaka sangodim-panina politika intsony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT