Mbola tena maina ny tsenan’ny kilalao amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao.
Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Mahamasina mantsy dia ireo mpanontany no betsaka na dia efa nasiana hatrany amin’ny 5.000 Ar aza ny iray amin’ireo karazana kilalao madinika toy ny dinety kely anaty fonosana sy ny saribakoly. Velon-taraina mafy ireo mpivarotra ka amin’ity herinandro ity sisa no mba hany fanantenan’izy ireo. Ho an’ny fiarakely kaomandina indray na mandeha pilina dia manomboka amin’ny 20.000 Ar no vidin’izy ireny izay nambaran’ireo mpivarotra ihany koa fa zara raha misy mividy. Ho an’ireo kilalao lehibe toy ny bisikileta sy fiara kely azo taingenana kosa indray dia manomboka amin’ny 150.000 Ar ny iray eny amin’ireo mpivarotra manodidina an’Analakely. Mbola maina ihany koa ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nambaran’ireo mpivarotra fa matahotra ny amin’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika avokoa ny olona, hany ka mampirim-bola sy manangona sakafo avokoa ho fitsinjovana ny zavatra mety hitranga aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.