Actualités

Mbola lavitra ny lalana


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Herintaona sisa dia feno 70 ny tolom-panafahana tamin’ny 1947 ka niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara indray.


Zary efa mahazatra isan-taona ny fanateram-boninkazo sy fiarahabana ireo maherifo nitolona tamin’izany fotoana. Fa ny mampanontany tena ny tsirairay dia ny hoe : nitondra inona marina ho antsika ny tolona tamin’ny 1947 ? Vitantsika ve ny nanohy ny tolona nataon’ireo raiamandrenintsika ireo ? Aiza ho aiza i Madagasikara amin’izao fotoana, mahaleotena amin’ny ahoana ? Moa ve tsy tena mbola takaitra tsy mety voafafa hatramin’izao vanim-potoana iainantsika izao ny politikan’ny zarazarao hanjakana, ka ny resaka faritra niaviana na ny foko foana no mipoitra tampoka rehefa misy fifandirana na tsy fifankahazoan-kevitra. Mbola maro ny Malagasy voazanaka ara-tsaina, tsy dia mivaky loha firy amin’ny maha Malagasy azy sy izay marary an’i Madagasikara, vao miha aza manakiana indray ireo sahy mijoro miaro ny tanindrazana. Andraikitry ny mpitondra fanjakana, ny mpanao politika, ny mpanabe ny mamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy tsirairay avy, fa rehefa tsy misy an’io foto-kevitra lehibe iombonana io dia nofinofy ihany ny hoe fampandrosoana eto satria tsy hisy firaisankina mihitsy. Azo atao tsara ny miara-miasa amin’ny any ivelany fa ny an’ny tena kosa tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT