Actualités

Mbola ho ela …


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Nangina indray aloha ny dinika fampihavanana karakarain’ny FFKM. Mbola anatin’ny fandaminana tanteraka angamba ry zareo. Ireo manakiana sy tsy dia mankasitraka loatra ity hetsika ity no toa mimenomenona isan’andro indray tato ho ato izay

Ny hita ihany koa dia mbola mitohy ny hadalan’ny mpitondra eto amintsika, nandany an-jambany ilay tetibolam-panjakana 2015 ireo solombavambahoaka rehefa avy nozaraina tablety teny Tsimbazaza teny. Na inona na inona ambara dia efa endrika kolikoly mibaribary ireny ka asa indray aloha izay ho fihetsiky ny Bianco. Eto Madagasikara ihany manerantany no misy izany hoe solombavambahoaka zaraina karama tampoka na mahazo finday avo lenta sy tablety tampoka izany mialoha ny hisian’ny fanapahan-kevitra goavana eny amin’ny parlemanta. Ny fanararaotam-pahefana ataon’ny sasany amin’izany tsy resahana intsony, eo ny fiara mpitandro filaminana tsy misy laharana (immatriculation), satria izy ireo tokoa angamba no lalàna eto. Tsy te hahalala fitohanan’ny fiara izany ny manampahefana sasany fa dia misongona sy mampaneno kiririoka amin’izay tiany hanaovana izany …Gaga ny olona, talanjona hoe tahaka izany ve no mitondra ity firenena ity ? Raha misy ny fanovana atao, tsy ampy ny fanovana rafi-pitondrana na lalàmpanorenana fa ny olona hampiasa azy ireny no tena tokony hiova ihany koa, raha ambara fa nanao ny tsy nety na niasa ihany fa tsy ampy ny teo aloha. Ny ny tsikaritra anefa hatramin’ny nisian’ny krizy tamin’ny 2009 dia nitotongana ny toekarena teto Madagasikara, niha nahantra ny Malagasy, nihen-danja ny fahaizan’ny ankizy, nitombo ny asan-jiolahy, niha nahery vaika ny delestazy. Tena nikorontana ny firenena, ary raha izao zava-misy sy ny fomba fiasa izao dia ho ela ihany vao hiarina isika eto a !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT