Actualités

Mbola handoavam-bola ny EPP ao Toliara Bokan-trosa ireo ray aman-dreny, mameno tanŕna ny mpampanjana-bola


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Tsy mbola mazava tsara ny fampiharana ilay fampianarana maimaimpoana ao Toliara, raha ny zava-misy hatreto aloha dia nahitana fiakarana avokoa ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana fiantombohana, ny vidin’ny fitaovam-pianarana, lamba hanaovana aron’akanjo sy fanamiana, raha nitaha tamin’ny taon-dasa, ka mikaikaika sy miferin’aina ireo ray aman-dreny. Zaza iray farafahakeliny handaniana 150 000 ariary. Tsy hita pesimpesenina ny fandaniana ho an’ireo mampiana-jakana amin’ny sekoly tsy miankina manaraka ny rafi-pampianarana frantsay.

Midi-trosa, 100% ny taha zana-bola

 

Vokatr’izany, efa manakaiky izao ny 6 oktobra fidiran’ny mpianatra amin’ny fomba ofisialy ka betsaka ireo tokantrano sahirana ara-bola miezaka amin’ny fampianaran-janaka mampitovy ny sombiniainy amin’ny zanaky ny hafa mba hanomezana fahafaham-po azy ireo no midi-trosa amin’ireo mpampanjana-bola, izay misy maka taha 100%, indrindra ho an’ireo maro anaka. Ny any an-tsekoly koa tsy misy indrafo fa tsy maintsy voaloa avokoa ny pitsopitsony rehetra vao afaka mianatra ny ankizy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT