Actualités

Mba maharaka ihany ve ?


  • Talata 02 Desambra 2014

Miarahaba anao ry Jean a ! Adihevitra be ny anay eto amin’ny tanàna dia tsy maintsy nanoratra aty aminao indray aho momba ity resaka dahalo niova fo sy dahalo nilavo lefona ity e ! Samy manana ny filazany mantsy ny olona

. Maro no miteny hoe sinema anao sy i vazaha be hono ireny, dia toa hoe misy resaka vola be amina miliara ao ambadik’izy io. Misy koa no miteny hoe nahoana kosa moa no tsy mba hahatsapa tena ka hiova fo ireo malaso ? Ka inona no tena marina ry Jean fa sahiran-tsaina izahay valalabemandry a, indrindra fa taorian’ny nahatratraran-dry be baoty ireo dahalo teny amin’ny taksibrosy farany teo. Fa na sinema iny na tena niova fo, ny angatahako aminao dia mba karohy koa ny hevitra hampiova fo ireto jiolahy manakan-dalana sy mpamaky trano ary mpanolana zaza tsy ampy taona eraky ny tanàna ireto a ! Asa aloha ianao na mba mihaino vaovao ihany na mionona amin’ny tatitra maimaika ataon-dryJean bary sy Jean jôba, fa tena isan’andro anie no misy asan-jiolahy eto amin’ny tanàna e ! Ianareo koa moa dia an’ity mandeha voiazy ity ka mety tsy maharaka ny zava-misy intsony…mba henoy ihany ny feon’ny vahoaka ry Jean fa efa tena mamay be ny fiainana a ! Ho raharaha ange ny hitranga eto raha misy korontana vaovao tampoka eo e ! Izay aloha ry Jean fa mampamangy fa mbola maika handoa jirama zah fa sao tapahan-dry Jean Sidy eo ny jironay a !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT