Actualités

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

 

 

 fotoana nankalazana ny faha-91 taona nahaterahany, raha toa ka ny 5 desambra 2013 kosa izy no nodimandry. Niady tamin’ny fanavakavaham-bolonkoditra tao Afrika Atsimo, ka nigadrany 27 taona an-tranomaizina. Ho  an’izao tontolo izao mihitsy no niadiavan’i Mandela, ka 67 taona ny totalin’ny tolona nataony, hoy ny Masoivohon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara Rtoa Maud Vuyelwa Dlomo, raha nivahiny tao amin’ny onjam-peo Top Radio 102.8FM omaly maraina. Nogadrain’ny mpitondra izy, fa nanampy tamin’ny famoahana azy ny firenena maro nanerana izao tontolo izao, anisany i Madagasikara. Navoitran’io Masoivoho io fa ny fianarana dia anisan’ny fitaovana tsara indrindra hampitsaharana ny fahantrana. Rehefa misy olona iray tafita amin’ny fianarana ao anatin’ny fianakaviana iray, dia manampy be dia be iny fianakaviana iny hiala amin’izany. Tamin’ny fotoana naha tao am-ponja an’i Nelson Mandela, dia mbola zaza sy mbola mpianatra izy. Nifanentana ny mpianatra tamin’izany fa tsy misy mianatra, ny mpiasam-panjakana tsy niasa, mba hampikatso ny fampihodinana ny raharaham-panjakana nitakiana ny fahafahany. Faly aho fa anisan’ny nandray anjara tamin’izany, hoy izy. Natao ho an’ny fotsy hoditra ny fianarana, ary tsy afa-nifangaro tamin’izy ireo ny mainty fihodirana. Rehefa nivoaka ny fonja i Nelson Mandela, dia nikatsaka ny hisian’ny filaminana ary nanentana ireo mpianatra handeha hiverina hianatra satria tsy afaka ny hitondra firenena raha toa ka tsy mianatra, ary tsy afaka ny hametraka ilay fanjakana demokratika ezahinareo hapetraka, hoy izy. Nandray izay lesona izay ny ambasadaoro ankehitriny. Tsiahivina fa teto Madagasikara no niainga ny radio ANC tamin’izany tolona izany. 25300 eo ny teratany Afrikanina Tatsimo eto Madagasikara ankehitriny izay misy ny misehatra amin’ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany, Misionera, miasa amina ONG …

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT