Tsy milamina mihitsy ny tany na dia lazaina fa miova fo aza ny dahalo eto Madagasikara. Nisehoan'ny fanafihan-jiolahy narahana vono olona indray tao Ambatotsipihina, distrikan’i Mandoto ny alin'ny alatsinainy hifoha talata 11 novambra 2014 lasa teo.
Tokantrano iray mpivarotra no notafihan’ireo jiolahy efa-dahy mirongo basy tamin’izany, tokony ho misasak’alina teo ho eo. Novakian'ireo jiolahy ny varavarana ary nibosesika niditra ny trano izy efa-dahy nirongo basy. Ny vola avy hatrany no notakian’ireo jiolahy ka nomen'ny tao an-trano ny vola 4 tapitrisa ariary tao aminy. Mbola nitaky fanampiny anefa ireo jiolahy. Rehefa tsy nisy intsony dia notifiriny teo amin'ny kibony ilay raim-pianakaviana ka maty teo no ho eo. Lehilahy iray hafa koa no nivoraka ny tsinainy vokatry ny tifitra nahazo azy koa. Matetika indray tato ho ato ny fanafihana harahina habibiana toy izao tao Mandoto. Vao tsy ela akory no nisiana fanafihan-dahalo ihany koa ka nakana lehilahy 2 notsongaina ary dia novonoina ampahibemaso teo an-tokotany tamin'ny fomba feno habibiana. Efa manao izay azony atao ireo mpitandro ny filaminana amin'ny fampandriana ny tany any an-toerana, saingy na olana ara-pitaovana na amin'ny tsy fahampian'ny isany no tena mbola sakana be ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.