Miisa 38 hatramin’ny omaly ireo maratra vokatry ny fifanosehana sy ny hitsaka nahazo azy tetsy Mahamasina mbola tazonina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakoto Alison Olivat.
Ny fito amin’izy ireo no tazonina ao amin’ny fameloman’aina momba ny fandidiana. Ny roa hafa nalefa nodidiana any amin’ny hopitaly Anosiala, vokatry ny fiaraha-miasan’ireo hopitaly rehetra eto an-drenivohitra fa ny iray noraisin’ny HJRA an-tanana. Nomarihiny fa tsy nisy azo natao intsony ireo 15 namoy ny ainy voalohany. Efa nezahina novelomina kosa ilay iray faha-16 farany saingy tsy tana ny ainy. Ny dona nahazo ny loha, ny tratra, ny kibo no ankamaroan’ny nahazo azy ireo. Nisy zazalahy kely iray efatra taona teo vaky tanteraka ny lohany. Ny dimy tamin’ireo olona 16 namoy ny ainy dia olon-dehibe fa ny ambiny kosa dia ankizy sy tanora avokoa. Noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fitiliana, ny fitarafana ary ny fanafodin’ireo naratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.