Actualités

Matsubara sy ny tariny Hampahafantatra ny « Kay keny sound »


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Nangingina tao ho ao ny mpanakanto Matsubara sy ny tariny. Nilaza ary ity mpihira manana ny lazany ity fa misy hatrany tokoa ny fandaharam-potoana isan-karazan’izy ireo saingy noho ny raharaham-pirenena dia naleo aloha nampandeferina ny ankamaroany.

 

 Efa niarahanareo nahita tamin’ny fanamiana ireny, hoy izy, ny foto-kevitra “Kay keny” ary dia mahafaly ahy ny milaza aminareo sahady fa nahazo fanamafisam-peo vaovao raitra sy varatra be ny tarika ankehitriny ary nampitondraina ny anarana hoe “Kay keny sound”. Hikononkonona kely aloha izahay, hoy izy, mandrapahatapitr’ity taona ity ary dia hatomboka amin’ny fampahafantarana an’io ny taona vaovao. Efa fanamafisam-peo feno izay misy lampihazo, jiro, kamiao sy sprinter fitondrana ny artista hatramin’ny tranokely fiomanana na “loge”, hoy ny tenany, ity azon’ny tarika ity. Antony nanaovana azy dia satria manahirana ireo mpanakanto eto amintsika matetika ny mitady fanamafisam-peo feno. Mba hirosoana amin’ny maha matihanina kokoa sy hampihena ny fahasahiranan’ny mpanakanto, araka izany, hoy izy, dia ilaina ny fananana fanamafisam-peo feno toy ity izay ho ampahafantarina amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT