Nipoapoaka ny lahatenin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Hery Rajaonarimampianina nandritra ny lanonana ho fifampiarahabana amin’ny nahatrarana ny taona vaovao 2016 teny Iavoloha, fa ny Fahasalamana no voalohan-karena ho an'ny olona.
Misokatra indray izao ny 138 tamin’ireo tobim-pahasalamana efa nikatona. Dia ahoana ny amin’ireo tobim-pahasalamana efa misy, toa jerem-potsiny ? Ao Andasibe, Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’i Moramnga izao, dia tsy misy jiro efa an-taonany maro ny « Maternité ». Resaka kaontera simba ka tsy voamboatra no voalaza fa anton’ny tsy fisian’ny jiro ao amin’ny trano fampiterahana ity. Vokany, « lampe de poche » no ampiasaina rehefa misy hiteraka amin’ny alina. Tanàna misy jiro anefa i Andasibe, sady fandehanan’ny mpizahatany rahateo, na ny avy eto anatiny izany na ny vahiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.