Tsy voaloa ny karaman’ireo mpiasam-panjakana miasa amin’ny masoivoho Malagasy maromaro any ivelany.
Efa ho roa na telo volana eo izany, hoy ny fanomezam-baovao avy amina mpiasa. Tsy voaloa ny zavatra ilaina sy ny fampitaovana any, toy ny jiro, rano, findary,… ary miala any am-paosin’ny mpiasa ny fitaovana hoenti-miasa toy ny penina, taratasy, ny vola hanaovana ny serasera, ny ranomainty,… Ireo nampodiana efa nahazo ny naoty mampody azy avokoa izy rehetra, ka tsy misy na iray aza tafajanonana na iza io na iza, hoy hatrany ny vaovao voaray. Ny mpisolo toerana aza efa voatendry. Tena tsy manam-bola ny fanjakana, raha ny fanamarihana. Zary mizaka ny tsy eran’ny aina ireo mpiasa, ary ny kely mety eo am-pelatanana. Sanatriavin’ny vava sao handeha hanaotao foana, toy ny fivarotan-tena izahay, ka miantso vonjy sy fandraisana andraikitra avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa, hoy ny fitarainana. Andrasana izay mety ho fanazavana sy fandraisana an-tanana ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.