Delegasiona mafonja avy amin'ny fitondram-panjakana notarihin'ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta,MAHAFALY Solonandrasana Olivier no tonga taty Tolagnaro omaly nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana ny fotodrafit’asa moderna an’i CNaPS eto amin'ny fokontanin'Ampasikabo, Tolagnaro.
Nitarika ny avy amin'ny fianakaviamben'ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy kosa ny Tale Jeneraliny, Arizaka Rabekoto Raoul.Foto-drafitrasa lehibe sy moderna miloko manga no natsangan’ny CNaPS eto Tolagnaro. Isan’ny goavana satria lova avela ho an’ny taranaka, hoy ny Tale Jeneralin'ny CNaPS. « Zava-dehibe ny fanorenana sy ny fametrahana zavatra tsara ho an'ny taranaka » hoy ny tenany. Marihina fa misahana mpiasa mpikambana 15 169 ny masoivohon’ny CNaPS eto Tolagnaro, ary mpisotro ronono 2 329 raha miisa 92 ny mpandray solon-takaitra. Ankoatry ny birao moderna fandraisana olona sy fiasana moa dia misy ihany koa ny trano natokana honanenan’ny mpiasan’ny CNaPS sy ny efitrano voatokana handraisana ireo mpamita iraka any amin’ny faritra. Ity foto-drafitrasa ity no natao dia eo ny fampiharana ny politikan’ny fanjakana amin’ny fanapariaham-pahefana, fa eo ihany koa ny fanatanterahana ny politikan’ny CNaPS amin’ny fanakaikezana ny vahoaka ety ifotony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.