Actualités

Masoivoho Malagasy any Sina Tsy voaloa ny hofan-trano ?


  • Talata 20 Oktobra 2015

Sahirana ny masoivohon’i Madagasikara any Sina. Raha ny vaovao notaterin’ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny malagasy dia tsy voaloa intsony ny hofan-trano roa volana lasa noho ny fahasahiranana ara-bolan’ny fanjakana malagasy

 

. Lany « visite technique » ihany koa ny  fiaran’ny masoivoho  izay  efa fiara  mihoatra ny 10 taona ka tsy  tokony handeha. Tsy  misy ihany koa mantsy ny vola andoavana ny saran’izany  « visite  technique »  tokony hatao any Sina izany. Ny  governemanta Sinoa izay mba te  hiaro ny voninahitry ny  firenena malagasy  tsy ho afa-baraka  amin’ity resaka hofan-trano tsy voaloa  roa volana  lasa ity  dia  nanolo-kevitra ny  hamindrana  ny  biraon’ny  masoivohon’i  Madagasikara amin’ny  trano  tsotsotra mitambabe ireny  ka asa  na hanaraka izany ny  fanjakana  malagasy na tsia. Momba ny  masoivohontsika any Sina ihany  koa dia anisan’ireo  masoivoho  efa lehibe ihany Atoa Sikonina Victor ka rariny raha  mody an-tanindrazana amin’izay  izy. Noho ny tsy  fisian’ny vola hamatsiana ny fodiany dia mbola najanona any ihany  ny tenany,  araka ny vaovao voaray hatrany.

Be karama

Maromaro  ihany ireo  masoivoho  tokony  hisy mpisolo toa an’i  Zina Andrianarivelo Razafy  izay efa  20 taona eo ho eo  no tany  Etazonia saingy noho ny  tsy  fananan’ny  fanjakana  vola dia tsy  mbola soloina izy ireny. Lafo sy  mihoapampana arakaraky ny  sanda misy any amin’ilay   firenena  ihany  koa  anefa ny  karaman’ireny masoivoho  ireny  ka ifanotofana sy iadiana ny hiasa any. Toy  ny ao Parisy, ohatra, dia re siosio fa manodidina ny 30.000 euros isam-bolana ny karaman’ny masoivoho  malagasy. Mbola  kely  noho ny an’ny  masoivohontsika izany ny karaman’ny filoham-pirenena frantsay, 7000 euros ny karaman’ny mpamily.    Araka ny  fanomezam-baovaon’ny namana ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny  anefa dia misy ihany  toerana  telo  izay tena  ifanotofana  izay mety  hanovana masoivoho malagasy ka  mianto-tena ilay vaovao haka ny toerana. Iantohan’ny fanjakana  kosa ny  saran-dalan’izay mody an-tanindrazana.


Rabri.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT