Nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny fikambanana «Namako» teny amin’ny trano fonenany «Villa Berlin», ny ambasadaoro Harald Gehrig
Ity fikambanana «Namako» ity dia niforona tany Alemana tamin’ny taona 2007 ary ny foibeny dia any Leichlingen-Alemana fa miasa ho an’i Madagasikara ihany. Ireo fitaovana ireo, izay ahitana baolina kitra, basikety, volley ary T-shirt, nomen’ny fanjakana alemana ho an’ny fonja miisa 12 eto Madagasikara dia Antananarivo, Arivonimamo, Miarinarivo, Manjakandriana, Ambatolampy, Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Mananjary, Manakara, Ihosy ary Tolagnaro. Manana fikasana hanokatra tranomboky ho an’ireo fonja ireo ihany koa ny fanjakana alemana fa mbola eo amin’ny eo amin’ny dingana fampianarana miteny sy manoratra sy hetsika ara-koltoraly ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.