Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara, ny Ambasadaoron’i Alemaina, Atoa Gehrig Harald mivady, ka tonga nanao veloma ny praiminisitra Ntsay Christian.
Tsapan’ny firenena Alema ny ezaka lehibe vitan’i Madagasikara amin’izao governemanta vaovao tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian izao, ary mahabe fanantenana ny amin’izany, hoy io diplomaty io. Anisan’ny vokatra notanisainy ny teo amin’ny lafiny tontolo iainana, fitsarana, toekarena. Nohamafisin’ny praiminisitra izany. Notsindrian’ny Ambasadaoro manokana ny ezaka vitan’ny governemanta Malagasy teo amin’ny ady amin’ny famotehana ny ala sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo hazo sarobidy. Momba ny fihaonana nisy teo amin’ireo mpitondra Malagasy sy ny mpitondra Alemana dia nambarany fa velom-panantenana ihany koa ny tenany, ny amin’ny hanamafisana ireo fiaraha-miasa amin’ny ho avy, raha ny lafiny diplaomasia sy toekarena no resahina. Nitondran’ny praiminisitra fanazavana ny fifanakalozana mahakasika ireo ezaka vita hampihenana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fitrandrahana ny harem-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.