Actualités

Masoivoho Afrikanina Tatsimo “Tokony haka lesona ny mpitondra…”


  • Talata 03 Desambra 2019

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao,

 

 

 teny amin’ny Lapan’Anosikely, ny Ambasadaoron’i Afrika Atsimo Rtoa Vuyelwa Maud Dolmo omaly alatsinainy 02 desambra 2019. Fitsidihana sady fanaovam-beloma satria tapitra ny fe-potoam-piasan’ity diplaomaty ity rehefa niasa sy nonina teto Madagasikara 4 taona mahery. Nisaotra ny filohan’ny sena izy tamin’ny fiaraha-miasa izay nisy teo amin’ny roa tonta nandritra ny fotoana nijanonany teto Madagasikara. Nambarany fa lehibe tokoa ny ezaka izay nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy matoa tafita tamin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika sy ara-dalàna toy izao, manamarina izany ireny fifidianana nifanesy ireny. Hohamafisiny amin’ny tatitra izay hataony rehefa tonga any Afrika Atsimo fa efa dingana lehibe ho an’ny firenena malagasy ireo ezaka maro vita hatreto. Manana ny safidiny ny vahoaka na handeha hifidy na tsia kanefa tokony haka lesona ihany ny mpitondra sy ny mpitarika tamin’izay zava-nitranga rehetra mba ahafahana manarina ny lesoka satria tsy misy ny firenena tanteraka, hoy ity Ambasadaoro ity. Nankasitraka ny fiaraha-miasa tamin’ny Afrikanina Tatsimo tamin’ireo dingana sy fiaraha-miasa vita ny filohan’ny Antenimierandoholona. Teo, ohatra, ny finiavana manokana izay nananan’ity masoivoho ity tamin’ny fifandraisana tamin’ny rehetra, nampiseho izany ny fifaneraseran’ity Masoivoho ity matetika  tamin’ireo Andrimpanjakana sy ny mpitondra fanjakana fa tsy mijanona eo amin’ny sehatra tokana ihany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT