Actualités

Masimana Manantsoa Mila hajaina ny lalŕna


  • Alatsinainy 12 Septambra 2016

Nilaza ny minisitra teo aloha, Masimana Manantsoa, fa ny hanajan’ny mpiasam-bahoaka sy ny mpitondra ny didy aman-dalŕna manan-kery ankehitriny no tokony ho laharam-pahamehana sy fototry ny fitakiana atao amina hetsika iray amin’izao fotoana izao.

 Io tsy fanajana ny lalàna io no antony maha potika ny firenena amin’izao fotoana. Isika samy isika no tokony hifandinika amin’ny fijerena ny marimaritra iraisana mialoha ny fanatanterahana ny fifidianana na ho mialoha ny fotoana io na amin’ny taona 2018. Ny fanandratana ny maha Malagasy no mety raha hampiharina eto, izany hoe, ny rafitra “Manjaka vahoaka” fa tsy ny demokrasia izay napetraky ny vahiny. Tsy tokony hotsabahan’ny vahiny rahateo ny raharahan-tokantranontsika, raha ny filazany hatrany.

Faralahimatoa   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT