Actualités

Masera miasa any Ilakaka Mitaraina amin’ny fandrahonana mahazo azy


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Efa nilaza tamin’ny fanehoan-kevitra nataoko hatramin’izay aho, fa misy ampahan’andraikitra lehibe avy amin’ny mpitantana ifotony (autorités locales) eny anivon’ny faritra tsirairay eto Madagasikara ny tsy fandehanan-javatra eto Madagasikara,

 hoy ny administratera sivily, Paolo Raholinarivo, mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier. Misy ireo mpiasam-panjakana tsy manao ny asany ara-dalàna ihany koa ka tsy mampandroso an’i  Madagasikara ity. Miseholany ara-bakiteny izany toe-javatra izany raha izay mitranga any Ilakaka Faritra Ihorombe iny ankehitriny. Manonona mivantana ny tenako ho misandoka andraikitra nefa manana « ordre de mission » mazava ny lehiben’ny faritra Ihorombe sy ny solombavambahoaka voafidy tao Ihosy ary ny Ben’ny tanànan’Ilakaka raha nahita ny fampahoriana mivantana ataon-dry zareo amin’ny vahoaka eo amin’ny resaka fitrandrahana vatosoa tsy ananan’izy ireo « pemis d’exploitation » any an-toerana ny tenako (ravana ny tanàna, arodana ny fasan’olonan, totofana ny tanimbarary) ary nijoroan’ny Masera miasa any amin’io Ilakaka io vavolombelona ny fampijaliana vahoaka mivantana ataon’ ireo olona ireo ka nahazo fandrahonana avy amin’izy ireo mihitsy ny tenany ary matahotra ny ainy satria vao tsy ela akory no nisy olon’Andriamanitra (Mompera sy masera) niharan-doza mahatsiravina tany Antsohihy sy Antsirabe tany. Mangataka ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra aho, hoy i Paolo Raholinarivo, mba handray  andraikitra amin’ireo mpamosavy mivoaka antoandro any Ilakaka ireo sady mpamahan-dalitra ny lehibeny soloin’izy ireo tena mivantana ka manaratsy endrika ny fitondrana misy ankehitriny.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT