Actualités

Masera Madinika eraky ny Fitiavana Mahazo tombontsoa amin’ny fiahiana ara-tsosialin’ny CNaPS


  • Talata 06 Aogositra 2019

Ny mpiasa mpikarama, izany hoe misy mpampiasa mandoa vola ary misy mpiasa miasa mandray vola isam-bolana, izay nosahanin’ny CNaPS.


Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fampianarana sy ny fiangonana. Nandritra ny faran’ny herinandro teo dia nahazo tombontsoa manokana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ny Fikambanan’ny Masera   Madinika  eraky  ny  Fitiavana izay miparitaka manerana ny Nosy. Anjara asan-drý masera madinika ny  mitaiza  sy  manabe  ireo  zaza  sahirana  any  ambanivohitra. Koa satria mampiasa olona ry masera amin’ny asa sosialy ataony dia izay no antony nanofanana azy ireo teny Andrambato Itaosy. Nampahafantarina azy ireo ny adidy sy ny andraikiny amin’ny fitantanana ny maha olona. Anisan’izany ny fampidirana CNaPS ny mpiasa, ny fanefana ny latsakemboka. Fa nampianarina ihany koa ireo tombontsoa azon’ny mpiasa ao amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy : fanampiana ny fianakaviana, fandraisana an-tanana ireo mpiasa tra-doza am-perinasa na marary vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Nambaran’i soeur Agnès sy Soeur Gabrielle kosa fa tena ilaina amin’ny asan’izy ireo ny fiahiana ara-tsosialy, indrindra amin’ny asa fitoriana izay ataon'izy ireo any ambanivohitra lavitra be dia afaka manentana ny olona ihany koa izy ireo. Nangataka ny Fikambanana Masera Madiniky ny Fitiavana mba hanohanan’ny CNaPS akaiky azy ireo, indrindra ho an’ireo miasa any ambanivolo lavitra be any izay marefo tokoa.

 

RTT



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT