Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny alatsinainy 24 desambra tamin’ny 11 alina lasa teo ny filoha namorona ny Radio ara-pilazantsara RVM (Radio Vaovao Mahasoa) 106.8Fm sy ny IMH (Institution Marthe Hervée). Taorian’ny
aretina nahazo azy dia nangataka tolo-tanana ny tenany ka nalefa notsaboina tany Maorisy ny alarobia 19 desambra lasa teo. Anisan’ny Radio ara-pilazantsara tena be mpankafy ny RVM eto Madagasikara hatrany an-dafy noho izy tsy mitory afa-tsy Jesosy Kristy ary maro be ny fandaharana hiandreketan’i Marthe Hervée ao tahaka ny vahaolana an-tariby sy an-taratasy ary ny torohevitra ho an’ny mpianatra. Sady mpampianatra taranja Matematika kilasy famaranana moa ny tenany no mpitoriteny mahafatrapo eto Madagasikara hatrany ampitan-dranomasina. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana ny mpiasa rehetra ao amin’ny RVM ary ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra nandalo tao amin’ny IMH ny eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana.
Nangonin’i Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.