Tsy afa-bela tamin’ny takaitra navelan’ny rivodoza Chezda ihany koa ny any Marovoay sompitr’i Madagasikara, hoy ny depiote Navony Sahoby lany tany an-toerana, na dia tsy tena nandalo tany tanteraka aza ity rivodoza ity.
Dibo-drano noho ny fijojon’ny orana tsy an-kiato ny tanimbary ka simba ny ketsa amin’ny voly 5 andro efa nanomboka nitsiry noho ny lemak’i Betsiboka difotry ny rano tanteraka. Voakasik’izany koa ny voly vary asara izay efa manomboka karakaraina any ankehitriny. Ny voly atriatra sy voly jeby izany sisa antenaina amin’ity taona ity. Miharava ihany koa ny lakandrano manondraka ny voly any an-toerana, hoy ity depiote ity satria mbola vita amin’ny tany avokoa izy rehetra. Marihina moa fa any Marovoay no mihaona Ikopa sy Betsiboka ka tena zava-dehibe loatra izany, hoy ny depiote Sahoby. Raha ny tarehimarika farany azo avy any an-toerana dia nambaran’ity depiote ity fa mahatratra 3 000 any ho any izao ireo traboina ao Marovoay an-tampon-tanàna fotsiny fa tsy mbola nahazoana tatitra ny avy any ambanivohitra. Amin’ny mahasolombavambahoakan’i Madagasikara ny tenako dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny tenako mba hijery akaiky ny zava-misy any Marovoay, hoy ny depiote Navony Sahoby.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.