Actualités

Marolambo Azon’ny HVM ny vatony dia nampiesoniny ao


  • Talata 15 Martsa 2016

Distrika anisan’ny nahazoan’ny filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina vato betsaka indrindra tamin’ny fifidianana

 

 filoham-pirenena in-droa nihodina ny taona 2013 i Marolambo nefa izao dia nataony miesona ao ny vahoaka rehefa avy noviraviraina ny safidiny tamin'ireo fifidianana natao. Ny fampandrosoana izay nampanantenainy tsy misy tanteraka hatramin’izao.

Mitohy miaina anaty jaly sy fitokana-monina ny vahoakan’i Marolambo, toy ny efa niainany nandritra ny 50 taona. Tsy afaka mifanerasera malaka amin'ireo Distrika manodidina azy ireo mponina ao amin’io Distrika io noho ny haratsin’ny lalana. Rehefa tonga anefa ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra dia mirodorodo mankany avokoa ny rehetra mampanantena ireo rivotra fanovana mahery vaika rehetra izao. Tsizarizary ny fitsaboana noho ny tsy fahampian'ny fanafody sy ny fitaovana, ny fampianarana moa dia efa tany lavitra andriana, tsy tenenina intsony.

Distrika iray tena mamokatra kafe, akondro ary ny vary anefa i Marolambo. Matanjaka ary anisan’ny malaza ihany koa amin'ny fananany harena ankibon’ny tany toy ny volamena.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT