Niaka-bidy tampoka ny solika tany Maroantsetra. Tafakatra 7 000 Ar ny litatry ny lasantsy raha tsy dia nisy fiovana loatra ny gazoala noho ny mbola habetsaky ny tahiry tany an
toerana. Mahalana kosa ny fahatongavan’ny sambo mitondra lasantsy ka niteraka ny fanararaotana sy nanome vahana ny varomaizina. Anio mantsy vao re fa hisy sambo ho tonga avy any Toamasina nitondra solika indray, noho ny andro ratsy hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.