Actualités

Mariazy nivadika ho zava-doza 1 no maty, 70 mahery voapoizina


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Fety no nankalazaina kinanjo tsy fahasalamana faobe sy fandevenana no natrehina. Voan’ny fanapoizinana ara-tsakafo koa ireo mpivady vao, niaraka tamin’ireo mpangataka sy fianakavian’ny tovovavy.

 

 

 

Iray no maty ary 70 mahery ireo narary vokatry ny fihinanana maiônezy nivadika poizina tamin’ny sakafo fanokafam-bavony tany amin’ny fianakavian’ny zazavavy, ny sabotsy maraina teo ka

voatery nentina nihazo ny renivohitra. Tao Anosivola, 6km miala an’Ankazondandy, distrika Manjakandriana no nitrangan’ny loza. Rehefa vita ny fanasana tao amin-dravehivavy, mbola nihazo

ny fankalazana ny mariazy tao am-piangonana ary efa teo am-pikenonkenonana hisakafo tao amin’ny zazalahy vao narary kibo tetsy, nandoa teroa, torana ny sasany, nangovitra ny maro. Nanapa-kevitra avy hatrany ny tompom-panasana hitondra ireo narary sy ireo nisakafo tany amin’ny tovovavy hihazo ny hopitaly taty an-drenivohitra. Ireo taraiky vao narary kosa voatery nentina kamiô. Ora telo taty aoriana vao niseho ny aretina, araka ny filazan’ny tovolahy iray izay nisafidy ny tsy hitonona anarana.

« Marary ny kibo, torana avy eo ary mangovitra, sady mandoa no mivalana, izay ny fitrangan’ny aretina. Efa nampidirina tao amin’ny hopitaly Anosiavaratra izahay, saingy tsy zakan’ny toeram-

pitsaboana tao fa fiara lehibe telo no niara-nitondra tamin’ny voalohany. Kinanjo mbola nisy narary iray kamiô koa tany an-tanàna nanaraka. Nalefa niakatra taty amin’ny HJRA izahay ary tsy tafiditra

tao daholo ka nalefa teny amin’ny hopitalibe Befelatanana. Tsy omby koa tao ka nalefa teny amin’ny manara-penitra Andohatapenaka”. Raha ny filazan’ny fianakavian’ireo marary anefa, tsy nisy nety nankeny Andohatapenaka izy ireo, noho ity toeram-

pitsaboana farany izay heverina fa tsizarizary. Marary 20 sisa tsaboina amin’ireo hopitaly roa omaly tolakandro fa tsy misy ahiana ny ainy, ao anatin’izany ireo mpivady vao. Tsy azo ny vaovaon’ny

mpitsabo noho ny mpiandraikitra tsy miasa alahady.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT