Mandry andriran’antsy ny vahoaka any amin’iny faritr’i Menabe iny amin’izao manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana,
indrindra taorian’ny namonoan’ny dahalo an’i Retoso, lehiben’ny kalôny tsy nikely aina tamin’ny famongorana ny asan-dahalo tamin’iny faritra iny. Dahalo niova fo, manan-daza toa an-dry Foara any Melaky, i Retoso na tsy tia sehoseho aza. Izy no nitondra ny kalôny tany Menabe nanomboka ny taona 2006, niady tamin’ny dahalo tany amin’ny faritr’i Mariarano, Mahabo mipaka hatrany Manja. Nitrangana asan-dahalo nahaverezana ombin-tsarety miisa 27 tany amin’ny tanàna atao hoe Tanandava Lavarava, Kaominina Befasy, Distrikan’i Morondava ny alakamisy 21 aprily lasa teo. Nitarika kalôny nanara-dia ny omby very nihazo an’i Beroroha izy tamin’io. 15 lahy izy ireo no niaraka. Nifanena tamin’ny andian-dahalo 150 lahy ry Retoso rehefa tonga tao amin’ny toerana atao hoe Ambovon’i Badoro, mampisaraka an’i Mariarano amin’i Beroroha. Noheverin’ireo andian-dahalo fa hisambotra an-dry Mosa sy Lohanamboa mbamin-dry Ranonora sy Andros lehibeny ry Retoso, ka nanaovan’izy ireo velapandrika ary tamin’izay no niharan’ny angaredona ka voatetitetika antsy sy lefona ary maty tsy tra-drano. Maty ny 4 tamin’izy 15 mpanaradia, ka anisany ny zafikelin’i Retoso sy ny tompon’omby sarety very. Nalevina ny talata 26 aprily teo ny razana. Tsy nijanona teo fa nanafika tao Ankilimanjaka, Kaominina Mandabe, Distrikan’i Mahabo ireo andian-dahalo 150 lahy mitam-basy avokoa, ny alahady 24 aprily teo. Omby 30 no noravan’izy ireo tamin’izany, namoizana ain’olona roa ary roa hafa naratra ka tsaboina any Morondava ny iray noho ny ratra mafy mahazo azy. Omaly, dia re fa mbola mihaodihaody ao amin’io faritr’i Mandabe io ireo andian-dahalo ireo. Mitebibety ny mponina any an-toerana, mahatsiaro ho tsy misy mpiahy. Tsy misy mamaly ny antso vonjy ataon’ny Vahoaka any Mandabe na dia isan’andro aza ny asan-dahalo any.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.