Actualités

Marc Tatandraza Voasambotra tany Mahajanga


  • Zoma 16 Novambra 2018

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Marc Tatandraza rehefa reraka niafina sy nanao sary maty ary niseho tamin’ny tambajotra facebook naneho fa manohana an’i Andry Rajoelina.

 

 Nobedain’ny mpitandro filaminana tao Mahajanga rehefa avy nanao fandaharana tao amin'ny fahitalavitra Viva ary efa miomana hamory olona indray, ary nandrasana fotsiny ny fivoahany tao. Ny harivan’io ihany dia efa nanainga ny fiaran'ny zandary nitondra azy ho any Ambovombe Androy, toerana misy ny fitsarana izay mandray an-tanana ny raharaha. Tamin’ny horonantsary navoakany tamin’ny tambajotra facebook, dia efa maro ny fandrahonana nataony ho an’izay mikitikitika an-dRajoelina, ary misy fotoana aza dia mandrangaranga antsy be mihitsy ity olona sokajiana ho miaramilan’ny MAPAR ity. Efa nisitrika sy niery hatramin'ny taona 2017 i Marc Tatandraza noho ny fikarohana nataon'ny zandarimariam-pirenena azy tamina fandikan-dalàna maro vitany tamin'ny faritra maromaro teto amin'ny nosy, ka nisiana fitorian'olona maro azy. Tsiahivina fa ny 7 mey 2015, dia efa nohelohin’ny fitsarana tao Mahajanga 1 taona an-tranomaizina izy. Ny volana mey 2017, dia nisy olona miisa roa mpiray tsikombakomba taminy tamin'ny fakana an-keriny zaza tsy ampy taona miisa 12 (avy tany Mananara avaratra sy Soanierana Ivongo), nentiny nankany Bekily. ary tafaverin'ny zandary teo anivon'ny fianakaviany tsirairay ireo taorian'izay. Nivoaka sy niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy « facebook » kosa ny horonantsary sy sariny ny volana desambra 2017, nentina nanehoana fa maty sy efa nalevina i Marc Tatandraza ary nitsangana tamin’ny maty avy eo. Tany Bekily no toerana voatoandro ho nanaovana azy, saingy rehefa nandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana lalina dia tsy tany an-toerana na iray segondra monja aza izy. Tratry ny tsy nampoiziny izany izy, rehefa nieritreritra fa afaka miriaria saingy ny fonja no mety hiandry azy izao.

 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT