Mihazakazaka ny toe-draharaha. Mivoatra isan’andro manaraka izany ihany koa ny vaovao re manodidina ny filoha Marc Ravalomanana, indrindra ny amin’ilay resaka voizina betsaka fa hatao famotorana mikasika ny fomba nidirany an-tsokosoko teto Madagasikara ny tenany.
Omaly izao dia misy loharanom-baovao milaza amin’ny fomba mahitsy sady hentitra fa tsy nitory ny filoha Marc Ravalomanana izany ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Araka io loharanom-baovao io hatrany dia ilay kaompania tompon’ilay fiaramanidina nitondra ny filoha Marc Ravalomanana niverina an-tanindrazana tamin’ny 12 oktobra 2014 no iantefan’ny fitorian’ny ACM, fa fanitaran-javatra sy fanodinkodinan-dresaka fotsiny ny fisamborana sy fitazonana am-ponja an-dry Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM efa-dahy. Hatreto moa dia tsy mbola nandrenesam-peo na fanazavana mikasika ity raharaha ity ny ACM, fa dia nankininy amin’ny mpanao famotorana sy ny Fitsarana ny tohiny.
Mangina ny tanàna
Ny zava-misy hatry ny omaly dia mangina ny tanàna any Antsiranana. Efa any hatramin’ny herinandro lasa iny ireo mpanao famotorana izay tarihina kolonely avy eo anivon’ny zandarimaria, fa dia mivadika ho fitsangatsanganana aloha iny dian’izy ireo any hatreto. Na izany aza dia mangina tsy ahenoan-teny izy ireo. Ny lalàna rahateo manery azy ireo tsy hiloa-bava fa hitazona ny tsiambaratelon’ny famotorana. Ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika Rabary-Njaka Henry ihany no nilaza fa niditra an-tsokosoko teto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka handray andraikitra ny fitondram-panjakana. Nanipika mazava kosa anefa ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, sy ny praiminisitra Kolo Roger taorian’izay fa “sady tsy nosamborina no tsy nogadraina Atoa Marc Ravalomanana fa napetraka amin’ny toerana sahaza azy, ho fiarovana ny ainy”. Fepetra ara-panjakana (mesure administrative) no nampiharina, ka nametrahana amin’ny toerana arahi-maso manokana (residence surveillée) ao amin’ny Amirauté BANA Antsiranana ny filoha Marc Ravalomanana. Vokatr’io fepetra ara-panjakana io dia tsy maintsy fahazoan-dalana manokana avy amin’ny filohan’ny Repoblika irery ihany no ahafahana mihaona amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Mety ho izay no ivoahan’ny resaka tany Antsiranana ny alatsinainy teo, fa “tsy mahefa amin’io raharaha io ny mpitsara mpanao famotorana zokiolona” raha nangataka “permis de communiquer” tamin’ny Fitsarana mba hahafahana mihaona sy miresaka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ireo mpisolovavany dia Me Désiré Randrianarivelo sy Me Hasina Andriamadison. Efa any Antsiranana hatry ny alatsinainy maraina teo izy roalahy ireo, rehefa niala tamin’ny fiarakodia teto Antananarivo ny alahady. Mihenahena eo izany ny raharaha. Na izany aza re fa mitohy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana eo amin’ny fitondrana sy ny ankolafy Ravalomanana amin’ny hamoahana ny filoha Ravalomanana, izay efa mandia ny faha-25 andro katroka anio izao no itazonana azy any Antsiranana.Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.