« Anisan'ny nianatra sy naka tahaka azy aho... Indreto izahay tonga mifankahery, mifampionona, noho ny nandaozan'ny Raiamandreny, ilay andrarezina, ilay mpanao politika mahay, nahafoy ny ainy tamin'ny andro sarotra rehetra, tsy nitsahatra nanoro hevitra sy nanampy ...
Mahatsiaro banga izahay, mahatsiaro ho irery ... Apetrakay eo ampelatananao TOMPO izao fahoriana mihatra amin'ny Firenena izao ary ampitoero eo aminay mandrakariva ny fifankatiavana, ny fifamelàna, ny fifandeferana ary ny fampihavanana satria nimasomasoan'i Manandafy Rakotonirina tokoa izany ... », hoy i Ravalomanana nanoloana ny vatana mangatsiaka fianakaviamben'i Manandafy Rakotonirina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena omaly. Tonga nitsapa alahelo sy nitondra teny fampiononana noho ny fahalasanan’ity Raiamandreny lehibe ity moa ny avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara, ny fianakaviamben’ny kaominina Antananarivo tarihin-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Mahatsiaro manokana ny zavatra nataon' i Manandafy Rakotonirina rehetra ho an'ny firenena ny tenany. Mankasitraka ny fanohanany tamin'ny fotoana rehetra na ny mora na ny sarotra. Ny torohevitra sy ny adihevitra, ary ny hetsika isan-karazany. Zokibe Raiamandreny tokoa. Mankahery ny fianakaviany sy ireo namany rehetra, hoy i Marc Ravalomanana.
Raha hiverenana ny ampahany amin’ny tantara, dia anisan’ireo olona tena akaiky an’i Marc Ravalomanana tamin’ny krizy politika ny taona 2001-2002 i Manandafy Rakotonirina ka nahatsiarovan’ny rehetra azy tamin’izany fotoana ny hoe “ mandroso i Madagasikara rehefa manana Ravalomanana maro be isam-paritra isika” . Efa notendren’i Marc Ravalomanana ho Praiminisitra ihany koa izy fotoana fohy taorian’ny fahatongavany tany Afrika Atsimo rehefa nofofoin’ny mpanongam-panjakana ny ainy ny 2009; nandray anjara mavitrika tao anatin’ny dinika fifampiraharahana ho famahana ny krizy 2009 tao anatin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa izy . Nosamborina teny amin’ny Hotely Carlton sy nogadraina tany Mantasoa kosa Atoa Manandafy Rakotonirina tamin’ireny . Efa namela ireo nanao ratsy azy koa anefa izy. Nanamarika azy farany teo amin’ny tontolo politika ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.