Velom-panantenana tampoka ny vahoakan’i Maroantsetra nahare fa tonga tany an-toerana ny sabotsy 17 septambra 2016 teo ny filohan’ny antoko TIM,
Marc Ravalomanana, ka tonga maro nitsena sy nandray azy izy ireo. Araka ny fantatra moa dia ny fanatrehana ny Synodam-paritany Miray FJKM Faritra Antongil no tena anton-diany tany an-toerana amin’ny maha filohan’ny komitin’ny jobily volamena faha-50 taonan’ny Fiangonana FJKM ankehitriny azy. Tsy nahasakana kosa anefa izany nitafatafany sy nifanakalozany hevitra tamin’ireo vahoaka nitsena azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.