Mitohy ny fivahinianan'ny fianakaviana Ravalomanana, tarihin-dRtoa Lalao Ravalomanana any Antsiranana. Afaka mihaona isan'andro amin'ny filoha Marc Ravalomanana ao amin'ny Amirauté izy ireo,
, na mbola voafetra hatramin'ny roa ora tolakandro aza izany hatreto. Omaly alahady dia niara-nivavaka tao amin'ny toerana arahi-maso manokana, itazoman'ny fanjakana, ny filoha Ravalomanana izy ireo. Sambany indray izy ireo no afaka niara-nivavaka taorian'ny nisamboran'ny zandarin'ny GSIS any teny Faravohitra tamin'ny 14 oktobra 2014, nahatongavan'ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Olon'ny finoana, ary manankina hatrany ny fiainany sy ny zavatra ataon'ny amin'Andriamanitra i Marc Ravalomanana, famerimberiny izany tamin'ireo antso an-tariby nataony nivantana tao amin'ny Magro Behoririka, fony izy mbola tany Afrika Atsimo,ary izao mbola tohizany sy hamafisiny izao. Atoa Marc Ravalomanana rahateo dia olona manana anjara toerana lehibe eo anivon'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, satria dia filoha lefitra izy, izay mbola nohamafisin'ny mpizaika FJKM nandritra ny sinaoda lehibe natao tany Manakara roa taona lasa izay. Mety mbola hijanona maharitra any Antsiranana ny fianakavian'ny filoha Ravalomanana. Raha ny resaka mandeha dia manomana ny fiverenan'ity farany eto an-drenivohitra izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.