Nitsidika teny amin’ny amin’ny “Parc des expositions” Forello Tanjombato, toerana hanatanterahana ny hetsika ara-toekarena “Salon de l’Industrie de Madagascar” na SIM andiany faha-3 ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly.
Ny orinasa Tiko izay azy rahateo moa dia anisan’ny manao fampirantiana eny, ary fantatra izao fa ny 50 ka hatramin’ny 80%-n’ny orinasa no efa mihodina, ary efa misy ireo vokatra nampalaza ny orinasa fahiny toy ny ranom-boankazo classiko, dibera, frômazy. Maro ireo olona na malagasy io na vahiny liana amin’ny firesahana sy fifanakalozan-kevitra aminy nandritra io fotoana io. Matetika dia fifampizarana traikefa, fitadiavana fiaraha-miasa no mampifanatondrona ; anisan'ny tranoheva notsidihan'i Dada omaly ohatra ny an'ny vondrona Star, ny Savonnerie Tropicale, ny Socolait. Olona mahay mifampiresaka sy mifandresy lahatra rahateo ny tenany ka tsy mahagaga raha hifanotofana. Eo amin’ny tontolo politika dia iaraha-mahalala fa mbola manana ny hery sy ny herijika rehetra i Marc Ravalomanana. Tsy azo dinganina amin’ny tontolo politika sy ara-toekarena eto Madagasikara, ary mbola hatonin’ny vondrona iraisam-pirenena ihany koa izy. Tsy voakosoky ny tantara ny zava-bitany sy ny politika napetrany fony izy nitondra ny firenena ka izay no tsy ahafoizan’ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka vahiny azy. Ny ankamaroan’ny Malagasy dia samy milaza avokoa fa tsy toy izao isika raha tsy nanaovana ankasomparana i Marc Ravalomanana. Nilamina sy nirindra ny fiainam-pirenena fony izy teo amin’ny toerany ary efa tena niarin-doha ny fiainan'ny Malagasy . Nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana tamin’ny alalan’ny Madagasikara am-perinasa (MAP), politika natao hanatonana bebe kokoa ny olom-pirenena eny ifotony, hahafahan’izy ireo mandray andraikitra sy mandray an-tanana ny fampandrosoana. Nijoro sy tsy nanaiky lembenana izy, ka naharomotra ireo mpijirika sy mpanao ampihimamba. Noketrehina ny fandrodanana azy, izay niafara tamin’izao fahapotehan’ny firenena mandrak’ankehitriny izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.