Momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia nilaza i Hery Rajaonarimampianina omaly tamin’ny fahatongavany teny Ivato fa tena misy ny fanenjehana ara-pitsarana atao aminy. Hoy indrindra izy
« Mahazo mivezivezy, miditra sy mivoaka eto Madagasikara ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka saingy somary miavaka ny an’ny filoha teo aloha. Tena misy ny fanenjehan’ny fitsarana azy satria tany tan-dalàna ny eto ». Raha ny filazany dia nanohintohina ny filaminana anatiny sy ny filaminana ara-tsosialy tamin’ny zavatra nambarany teny Faravohitra ny 13 oktobra ity filoha teo aloha ity ka izay no nisamborana azy. Mazava izany ny resaka eto fa tena nosamborina ary nogadraina i Marc Ravalomanana. Nilaza indray anefa avy eo ny filoham-pirenena fa ao anatin’ny fampihavanam-pirenena no idiran’Atoa Ravalomanana tsikelikely amin’ny fiainam-pirenena, io fampihavanana io no hamahana ny olana rehetra momba azy, hoy ny filoha. Manjavozavo ary tsy mazava mihitsy, araka izany, ny tena hevitry ny filoham-pirenena sy ny hevitry ny fitondram-panjakana momba an’Atoa Marc Ravalomanana. Hotsaraina ve izy ka raha meloka dia gadraina ? Sa ve dinika politika hikarohana vahaolana politika no atao ka foanana ny fitoriana sy ny fanenjehana ara-pitsarana momba azy ? Efa mandeha moa ny resaka fa hoe misy ireo vondron’olona miezaka mandresy lahatra an’i Marc Ravalomanana ny mba tsy hanaovany politika intsony ho takalon’ny famotsorana azy madiodio sy hampitsaharana ny raharaham-pitsarana momba azy. Moa ve tafiditra ao anatin’izany paikady izany ity teny misabaka avy amin’ny filoham-pirenena ity sa inona ? Sa ve efa nahazo toromarika avy any ivelany any indray ny filoha Rajaonarimampianina ? Manjavozavo tanteraka ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.